Raiko o apetrakay (STK FJKM Ambaniala Malala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raiko o ! apetrakay eo am-pelatananao
Ny androm-piainanay ety e, sarotra re ny dia
Mila anao hitarika anay amin’ny ASA FITORIANA
Fa raha ny herinay irery tsy hahatontosa izay atao

Tompo o ! henoy, izao vavakay izao
Mba miangavy, raiso re raha azo atao
Mila anao hitarika anay amin’ny ASA FITORIANA
Fa raha ny herinay irery tsy hahatontosa izay atao

Ataovy eo akaikinao, sao solafaka ny dia
Aza avelanao irery ndrao ho lavo tokoa
Jesoa Tompo o ! ianao no ho kapiteninay
Ka ho lohany hatrany amin’izay rehetra atao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambaniala Malala
Vangy : 1121
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nvololona
Daty : 26/09/2018 19:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721