INDRO JESO (STK ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Indro Jeso mitsangana mandona mora
ny varavaran'ny fonao izay sasatra
tsy nohenoinao va ny tarainan'ny Mpamonjy
maniry ny handray anao ho mpianany

na maro aza ireo otanao
mamatotra sy mangeja anao
Ny Tompo anie isan'andro dia
tsy sasatra ny miala nenina
ka aza miandry fa avia
manatona an'i Kristy
vohay ny varavaran'ny fonao hidirany

2)hevero anie ny fitiavan'ny Mpamonjy
anao mpanota
ny ainy no natolony
ka moa handa va ianao
handray ny famonjeny
meteza re hanaiky ny mba hodioviny

ireo ota izay heverinao
mamtotra sy mangeja anao
ho afaka raha izy no
ekenao ho tenao Tomponao ka
ka aza miandry fa avia
manatona an'i Kristy
vohay ny varavaran'ny fonao hidirany

ANDRIAMALALA Rolland ,hira nomena ny STK Anosivavaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA
Vangy : 1715
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : toubiby
Daty : 24/09/2016 10:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761