VAVAKA (STK AMBOHIMAMORY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o! Mamindra fo aminay
Mamelà ny helokay
Vonoy ny otanay
Mpanota, tsy mendrika Anao tokoa
Kanefa Tompo mamelà
'Reto olona osa fo

Omeo hery hiatrehanay ity fiainana ity
Ka handresy ny ratsy
Hijoro ho mafy
Hanao izay azonay atao
Hiaina fiainam-baovao
Ho mendrika ny ho mpanomponao

Ankehitriny misaotra Anao tokoa izahay
Noho ny nanoloranao ny tenanao ho anay
Nentinao ny fahoriana be dia be
Nilaozanao ny lapanao
Hanavotanao anay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK AMBOHIMAMORY
Vangy : 1194
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbolafab
Daty : 31/08/2016 10:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738