You are here: home > Tononkira > stk Ambodihady

Midera Anao (stk Ambodihady)

1 - Lafa nieritreritra ity saiko
Dia tena nahatsapa
Fa Ianao ilay Ray tsy mandao
Nandeha aho tsy mba lavo e,
Narary aho nositraninao
Eh! Faly aho.

Tsy latsa-danja amin'izany
Ny fiainam-panahiko eto an-tany
Fa nampitomboinao, tsy nihambahamba Ianao
Azahoko tombon-tsoa ny manompo Anao
Azahoko tombon-tsoa ny manompo Anao.

Fiv. Mankalaza Anao, eny misaotra Anao
Fitiavana lehibe tokoa no natolotrao
Ka inty aho Tompo ô!
Vonona aho hidera Anao,
Hanao izay sitrakaoTsiky dia ampy.

2 - Manerana ny tany ny lazanao,
Misy ihany anefa no tsy mahalala Anao
Ka izany no antom-pisianay
Hanefa ny irakao eh,
Sy ny didinao,
Mba tsy ho any amin'ny fahaverezana.

Tsy latsa-danja amin'izany
Ny fiainam-panahiko eto an-tany
Fa nampitomboinao, tsy nihambahamba Ianao
Azahoko tombon-tsoa ny manompo Anao
Azahoko tombon-tsoa ny manompo Anao.

Fiv. Mankalaza Anao, eny misaotra Anao
Fitiavana lehibe tokoa no natolotrao
Ka inty aho Tompo ô!
Vonona aho hidera Anao,
Hanao izay sitrakao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : stk Ambodihady
Mpamaky : 60
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TahianaRandria
Tamin'ny : 10/11/2017 18:51:13
ID : 10134

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo