You are here: home > Tononkira > stk Ambodihady

Lehibe ny fahasoavanao (stk Ambodihady)

Fiv. Tompo ô!
Ianao no fiainako eto an-tany,
Fanirianay hitohy an-danitra any,
Raha tsy ny fanatrehanao
Dia efa very aho
Ny fitiavanao dia tsara
Mandrakizay e!

1 - Ny aizina nisava
Ny masoandro dia niposaka noho Ianao
Fanehoam-pitiavanao izany
F'izay dia maminao.

Tsy tamby isaina ny fahaizanao, ôôô!
Mbola hafa ihany hoy_aho Ianao,
Ray Tsitoha tsy lefy laza mandrakizay,
Be fitiavana Ianao!

Fiv. Tompo ô!
Ianao no fiainako eto an-tany,
Fanirianay hitohy an-danitra any,
Raha tsy ny fanatrehanao
Dia efa very aho
Ny fitiavanao dia tsara
Mandrakizay e!

2 - Tsiky dia ampyHaravoana manan-danja
No mameno ny ao am-poko ao,
Fa nomenao tombon'andro indray
Ka mbola miaina ety.

Mba ho aiza moa raha hialanao? ôôô!
Soa ihany Ianao fa tsy mandao,
Ray Tsitoha tsy lefy laza mandrakizay,
Be fitiavana Ianao!

Fiv. Tompo ô!
Ianao no fiainako eto an-tany,
Fanirianay hitohy an-danitra any,
Raha tsy ny fanatrehanao
Dia efa very aho
Ny fitiavanao dia tsara
Mandrakizay e!

Tompo ô!
...
Tompo ô!

Fiv. Tompo ô!
Ianao no fiainako eto an-tany,
Fanirianay hitohy an-danitra any,
Raha tsy ny fanatrehanao
Dia efa very aho
Ny fitiavanao dia tsara
Mandrakizay e!

Tompo ô!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : stk Ambodihady
Mpamaky : 52
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TahianaRandria
Tamin'ny : 10/11/2017 18:50:29
ID : 10136

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo