You are here: home > Tononkira > stk Ambodihady

Anao ny safidy (stk Ambodihady)

1 - Dieny mbola tsy mikapoka anao ny Tompo
Dia manatona Azy izao anio izao
F'ianao minia mihemotra foana
Ny fitiavany anie mba jereo
Araraoty ihany sao ianao hiantso vonjeo.

Fiv. Efa eo akaikinao Izy
Mandondona ao am-ponao Izy
(Fa ianao)
Fa ianao no minia tsy mijery
Ny fitiavany anie mampahery
Ka anao ny safidy
Hiadana sa hijaly hitoTsiky dia ampyreo?

2 - Devoly anie tsy kely làlana mihitsy
Fa tandremo
Atolory ho an'ny Tompo ny fiainanao
Sao ho neninao ny fandavanao Azy
Fa ny fiainanao hilamina ho azy
Raha manaiky ianao
Izao anio izao

Fiv. Efa eo akaikinao Izy
Mandondona ao am-ponao Izy
(Fa ianao)
Fa ianao no minia tsy mijery
Ny fitiavany anie mampahery
Ka anao ny safidy
Hiadana sa hijaly hitoreo?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : stk Ambodihady
Mpamaky : 61
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TahianaRandria
Tamin'ny : 10/11/2017 18:51:01
ID : 10133

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo