Am- pelatananao (Steps to Christ Choir)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampelatananao
Anilanao ,ny fianan'izao rehetra izao
Nefa izaho tsy MBA nihevitra
Tsy mahatsapa ny fitiavanao
Ka mila hivoana
Resin'izao tontolo izao
Variana loatra , revon'ny fiainana ety
Mamy tena mamy
Ny fitiavana omenao ahy
Mihoatra ny fitiavana eto an- tany
Efa voadona ka mifona
Raiso ho zanakao
Ento aho hiara dia Aminao

Manomboka izao hitady Anao aho
Amin'ny foko manontolo
Mba hikatsahako
Fahendrena ,Fandresena
Avy aminao
Tsy izaho irery fa izaho sy ianao
Hifampitantana hiara dia
Ho amin'i Kristy

Ampelatananao
Anilanao ,ny fianan'izao rehetra izao
Nefa izaho tsy MBA nihevitra
Tsy mahatsapa ny fitiavanao
Ka mila hivoana
Resin'izao tontolo izao
Variana loatra , revon'ny fiainana ety

Nanalavitra Anao ka nania

Manomboka izao hitady Anao aho
Amin'ny foko manontolo
Mba hikatsahako
Fahendrena ,Fandresena
Avy aminao
Tsy izaho irery fa izaho sy ianao
Hifampitantana hiara dia
Ho amin'i Kristy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Steps to Christ Choir
Vangy : 671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rtokyrandria
Daty : 26/04/2019 22:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0938