Tantara sisa (Stellah Ft FTJ ( Fanos&Tonster; ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Stellah Couplet 1:
Niezaka aho ny anadino anao
Ekeko fa sarotra tokoa izany
Saingy tsy maintsy izany mo,no hiafarany
Tsy hitazona anao intsony aho,
f'efa niaritra ny mafy no ianao
nefa mitso-drano anao aho, mba ahita izay tadiavonao

Ref:
Tantara ihany sisa ny antsika
tantara mankarary fo
fotoana fohy niarahan-tsika
ka ho atrakako ny loha,mba tsy hamoizako ny fo


Stellah Couplet 2:
Tsy ho ela nefa ny fery, izay navelanao ho ahy irery
Fa ianao ilay nandao,ka natonga ahy toy izaho
ianao lay nampijaly sady nampitomany
ka aleo ho any am'zay zany tantara izany
f'ity hira ty no atolotro ho anao
solony fitiavako hatram'zao

Ref:
Tantara ihany sisa ny antsika
tantara mankarary fo
fotoana fohy niarahan-tsika
ka ho atrakako ny loha,mba tsy hamoizako ny fo

Couplet 3
Tonster:
Ratsy rafitra ny fiainako ,tsaroko misy tsy ampy
lasa lavitra ny fisainako,ny aretim-po tsy tanty
Mitamberina isan'andro tsy akijanona ireo vita
ilay endrikao sy tsiky to miseho isa-minitra
izay lay masoandro nantenaiko,mitondra hiratra @ tavako
Diamondram-pazavako teny mbetika ato am-bavako
zary vetika de tsitako,zary niala teto an-tratrako
nametram-pery lalina mitondra ratram-po tsy zakako

Fanos:
Fa diso aho, ra de raikitra natoky tena
ra kobonina mandoro aleo manetri-tena
Aizina ny tontolo sasatry ny manantena
fery tsy ho votsabo, lalana io ka sady ekena
ireo fahatsiarovana mijanona manaloka ahy
vesatry ny fahitako ty ka mampanahy
fitaky ny foko mora lotra le mandray
Anatry ny Aorina, TOKY FITAKA ampy zay


Ref .....


Ref....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Stellah Ft FTJ ( Fanos&Tonster; )
Vangy : 1993
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanos
Daty : 15/07/2016 18:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3229