Ho anao io (STAR'S)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Verse 1] Twaiz

Mahita anao mitsiky ah de indro zah fa rava
de rehefa mikipy ah de ny endrikao no hita lava
banjiniko ao an-tsaiko, nofisiko amin'ny alina
raovina vao mba hihaona fa zah efa manina
satry foana ahita anao, efa babo ah itanao
zah ngôma tsis anao, zah ry piso tia anao
te anaradia anao, zah ts band am le ampanofy paradisa anao
ampandry adrisa anao, satria te anisa anao
za tsy ampanantena hoe itondra any am-parisy anao
ny ah ty love no atolotra, avy am fo fa tsy molotra
heniky ny atsaranao ah de indro fa tototra
ka avelao ah itory fa efa tsy ahitako tory
fa ny ho eo anilanao no zava-mahory
ka ataoko anaty hira ny kôzy, ho solona raozy
ho anao irery foana no anoratako ny prose

[Refrain]
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
foiko ho anao, anjakao, le fo ao anatiko ao
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
efa anao, lasanao, le toerana ao am-poko ao

[Verse 2] Skaidyh
Ny amiko rehetra efa nomeko anao
nafoiko ho anao anjakao
ny fiainako rehetra tsis miafina
efa fantatrao fa ho anao
Ny amiko rehetra efa nomeko anao
nafoiko ho anao anjakao
ny fiainako rehetra tsis miafina
efa fantatrao fa ho anao
enao le tiko, nosafidiko, tena tiako ianao
n'iza n'iza n'aiza n'aiza tsisy ahasolo ilay toerana nomeko anoa
anao irery ah fa aza manah
aza miahiahy
anao irery ah fa aza manah
aza miahiahy

[Refrain]
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
foiko ho anao, anjakao, le fo ao anatiko ao
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
efa anao, lasanao, le toerana ao am-poko ao

[Verse 3] Twaiz
Efa babonao ah, efa lavonao ah
ka aza lavinao ah fa te ho tiavinao ah
te isoratra ao anatin'izay hoavinao ah
de maniry any ariana hoe ho vadinao ah
enao ho mpanjakavavy de ny foko ataoko rova
omeko anjakanao ary ipetraka ho lova
de le fitiavana omeko anao tsy avelako iova
fa arovako eny foana raha hoe mis mitady androba
rehefa tiako de tiako, tsy ariariako fa kajiko
satria tiako de tiako, de enao irery no iriako
ka atolotro ho anao, izay tsara indrindra avy ato am-poko
de mozika tsara rindra, aingam-panah ventsoiko
androtsirotsy anao hatrany anaty botofotsy
ho eny an-tratranao izy, ifampitositosy
zah maniry ahazo toerana ao am-ponao
zay no vavaka angatahako am Ray ao ambony ao

[Refrain]
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
foiko ho anao, anjakao, le fo ao anatiko ao
Ho anao io, ho anao io, ho anao io baby
efa anao, lasanao, le toerana ao am-poko ao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STAR'S
Vangy : 1844
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : twaiz
Daty : 27/07/2016 12:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738