Lavitra (Squartz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitra e
Lavitra anareo
Tsy mahita izay hiseho
Toa tsy hahalala izay hiseho
Ezaka e
Dezaka tokoa
Ny manelanelana ahy
Aminareo izay tsy foiko
Lavitr’ahy tsy mahita
Anareo any am-pita
Manina aho
Malahelo aho
Fotoana lavalava ihany
No nahalasananareo tany
Ka hanoratra aho
Fa mila ho lao
Fa ny aty tsy hoe mijaly
N’hitalaho, hitaraina
Hanakorontana ny saina
Olom-belona ihany
Mahatsiaro ny niarahana taty
Ho avy anie
Ho avy ny fotoana
Hiaonana indray
Ho falifaly aho amin’izay
Be dia be
Ny ho tantaraina
Nahamirana ny saina
Ao koa ireo izay
Maningotra aina
Lavitr’ahy tsy mahita
Anareo any am-pita
Manina aho
Malaelo aho
Fotoana lavalava ihany
No nahalasananareo tany
Ka hanoratra aho
Fa mila ho lao
Fa io andro io
Dia andro iray
Hiposahan’ny mazava
Ho antsika rehetra indray
Fifaliana
Any ambony any
Tafahoana indray
Ilay Tiana sy ilay Tia



Tonony sy feony : Lita
Fandrindrana zavamaneno : Fidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Squartz
Vangy : 1318
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/03/2018 10:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133