Sao tsy mendrika anao (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sao tsy mendrika anao

Tsikaritro eny amin'ny endrikao (Dam, da'aaam!)
'Lay fo naratra tao anatinao tao ('lay ratra tanatinao tao)
Te hino ihany ianao sao mba (sao mba)
tia anao ihany izy na (kanefa)
Tsy vao omaly izy no efa manin'olonkafa (2)

Nanaraka koa ireo tena tsy zaka (2)
Tsy nahakivy anao fa ianao te hitraka (Ny fitiavanao no tena lalimpaka)
Nefa nony avy eo no indrisy (indrisy)
Fa nikasi-tànana izy (Haaa...)
Voadonany teo ny amboponao ka 'zay vao gaga ianao

Ref: Lazao, tena tiany tokoa ve ianao
Sa ianao no mikiry fa tsy mahafoy
Fa efa gadran'ny fitiavanao
Sainonao ange, fa raha tiany tokoa ve ianao
Dia olonkafa no halehan'ny sainy efa ho isanandro izao
Sao tsy mendrika anao

(Oh'ou'woh! Sao tsy mendrika anao... )

Ajanony hatreo ireo ranomaso (Sendra diso làlana ianao tamin'iny)
Ny ho avy no hatreo, adinoy ireo ankaso ('Lay fitiavanao tsy mba noraharahiany)
Rahatoa mila namana ianao, 'zaho tsy ho alavitra f'aza manahy
Antsoy ny anarako dia ho hitanao... (Safidin'ny fonao no nahatonga izao)
Ny fanantenanao toa zary tomany (Ny fijalianao efa lasan'ny omaly)
Izaho manantena f'ianao mbola hifaly (Sitraky ny saiko ny ahasambatra anao)
Ka rahatoa mila ahy ianao... izaho koa mety mila anao
Izay efa voasoratra tsisy mahalala, ka mba hono ho aho...

Mba lazao ho aho, tena tiany tokoa ve ianao
Sa ianao no mifikitra tsy mahafoy
Fa efa gadran'ny fitiavanao
Dia sainonao ange, fa raha tiany tokoa ve ianao
Dia olonkafa no halehan'ny sainy efa ho isanandro izao...

Efa anarana hafa no tsy afaka am-bavany (Efa anarana hafa fa tsy mba ny anao...)
Efa tsiky hafa no hita eny amin'tavany (Oh'oh'woh!)
Endrika vaovao no mameno ny sainy (Endrik'ilay nisolo ny toeranao...)
Efa sambatra izy, azony izay nilainy... ary ianao?

Lazao, tena tianay tokoa ve ianao [Aza miahotra fa mba lazao]
Sa ianao no mikiry, mifikitra, tsy mahafoy [Tena tiany tokoa ve ianao]
Fa efa gadran'ny fitiavanao [Efa gadran'ny fitiavanao hatrizay ianao]
Sainonao ange, fa raha tiany tokoa ve ianao [Dia olonkafa (2)]
Dia olonkafa no halehan'ny sainy efa ho isanandro izao [Sao tsy mendrika anao]

... sao tsy mendrika anao (x2)

Lyrics: Imanoela RAJAONAH & Ryana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 2034
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dafytahiana
Daty : 25/05/2015 14:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729