Lasa aho (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ve dia, vao maraina ny andro d'efa, tsisy mifampiteny
Efa andro maromaro izay nisesy nefa, tsy nisy hafa tsy ireny
Tsy fantatro izay ao am'ponao ao, ny sainao, toa lasana any ho any
Tsy hitako intsony izay hatao, vizana aho, isan'andro manontany (Oh'baby ...)

('Zaho tsy hanakotaba anao, izaho tsy hanadala anao
Fa rehf'izay no sitrakao) ... De tsofy rano aho, avelao handeha
(Efa tena niezaka aho, hamalifaly ny fonao
Kanefa izay no sitrakao) ... Tsarà tsodrano ianao f'izay vao ...

Ref : Lasa aho (Avelao aho handeha)
Ouuuuuh (Tsy sitrapoko anefa ...)
Lasa aho (Ny ranomasoko ao ...)
Oooh'wouooo (Tsy ho ataoko imasonao ...)

'Zaho ve nanampo zay tany am'ponao tany (baby!)
Efa lasa ny ahy reo sento sy tomany
Zao vao fantatro hoe nisy hafa tany ho any (nefa)
Tsy hanenina aho raha mbola tany koa ny tany

Mirary anao ho sambatr'aho, mirary ho anao Fitiavana
Ho manga anie ny lanitra hialofan'ny Fonao
Ny lalako no zorako, vahako ny fatorako
Rahampitso aho mety ho sendr'izay anjarako fa ..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 4025
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 27/08/2015 15:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796