Diam-penina (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Diam-penina sy ilay oroka farany anisan’ny sarobidy ka tsy hay hadinoina, fa velomam-pisarahana no mitoetra ankehitriny. Io ilay fihaonana namalona ny fitiavana…

Nidify izao ilay taona izay niarahantsika
Ka nahoana ary ianao no tsy tamana
Toa zary baiko moana no nifandraisantsika
Ianao ve tsy nahalala sa izaho no efa adala
Fa nahoana no zary nandamoka
Sa fitia tsizarizary toy ny tantara an-tsary
Ka dia lasa raki-tsoratra eo an-taratasy fotsy
Ilay Diam-peniko eto no ajanoko ho porofo (Baby…)

Ref : Sento… tomany
No hany mba navelanao teto omaly
Tantara sisa hamisavisa foana hatreo
ilay nandrandraiko hateza ela
Ilay Diam-peniko no sisa mba tavela…

Fa nantsoiko mafy anaty ny anaranao
Niara’ory aho sy ny tontolo izay jereko
Nanontany tena aho, tsy nahita fahazavana
Toa hazo amoron-kady, tsy nahita izay ialana (Ooooh-Yiii)
Toy ny sokona nananika ny vatolampy
Tampi-dalana haleha, toy ny tanàla very sampy
Ka ny peniko no hany hitanisa izany androany
Tsodrano re fa ny fitiavako anao tsy ho lany.

…Fa nahoana no sento sisa sy tomany no valin’izany rehetra izany, fa dia ratsy toa inona ary ve no nifanaovantsika, satria ianao, ianao , ianao tsy hiverina intsony fa leon’ny fony, miantso anao aho re, fa toa mangidy tsy hay tohaina ny malahelo mitaraina, tsisy hahasolo toerana anao, fa ianao , ianao irery Baby, ianao irery Baby …mila anao , miverena, miverena…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 7647
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Spydee
Daty : 24/10/2014 16:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738