Am-pitiavana be (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AM-PITIAVANA BE

Raha hotantaraiko avokoa ireo porofom-pitiavana efa vitanao
Dia tsy ho tanisako eto, ka tsy ho lany ambara etoana
Tam-pitiavana be no nanoloranao izany
Ataoko ahoana ny tsy ahatsapa ireo fo nitempo iray (fo nitempo iray…)
Nampiraisako feo ny mangidy sy ny mamy
Ifonako avokoa ireo latsa sy ireo ditra
Nampiharetako ianao, sy niarahana nahita
Ka noho izany (noho izany…) no anolorako anao ity hira ity
Mba ho fankasitrahako (mba ho fankasitrahako…) ‘reo porofom-pitia
Efa vitanao hatrizay, ny fotoana laninao, ‘reo zavatra natao
Tsy adinoko ireny mahazo mahatoky ianao
Fa tsy avelako handrava antsika izao (fiarovako ianao…)
Na ny halaviran-tany, na ireo fomba amam-panao
Tsy hahasakana ahy (raha ireny)
Fa mbola hodikaiko
Am-pitiavana be no anolorako ny aiko
( Am-pitiavana, am-pitiavana, am-pitiavana be…)

Ref : Raha mbola ianao no mitoetra anilako eo
Afoiko izao ireo ditra nankaleo
Foiko ho anao avokoa fotoana, fo sy saina
Raha ilaina dia afoiko hatramin’ny aina

Tiako raha ny lalantsika roa no hijanona ho iray, ka ho mandrakizay
Raiso aho ho Tempoly hanjakan’ny Fitiavanao
Ho masoandro hibaliaka (ho masoandro hibaliaka…)
Hanazava ny tontolo izay iainanao
Ka ho rindrim-bato mba hiaro anao
Amin’ny oram-panala, sy amin’ny adalan’izao tontolo izao
Am-pitiavana be no anaovako izany…, ho porofo…
Raiso ho anao, anjakao fa Ianao no anolorako izany…

Ref : Raha mbola ianao no mitoetra anilako eo (raha ianao…)
Afoiko izao ireo ditra nankaleo (anilako eo…)
Foiko ho anao avokoa fotoana, fo sy saina (foiko ho anao, foiko ho anao…)
Raha ilaina dia afoiko hatramin’ny aina
Raha mbola ianao no mitoetra anilako eo (rahatoa ianao…, anilako eo…)
Foiko izao ireo ditra nankaleo (foiko izao…, efa nankaleo…)
Foiko ho anao fotoana, fo sy saina (fotoana…, sy saina…)
Raha ilaina dia afoiko hatramin’ny aina (raha ilaina…, dia afoiko ho anao…)
Dia afoiko hatramin’ny aina (raha ilaina…, dia afoiko ho anao…)
Dia afoiko hatramin’ny aina (raha ilaina…, dia afoiko ho anao…)
( Ho anao, ho anao…)

SPY D.
Juillet 2003.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 6337
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Spydee
Daty : 24/10/2014 18:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725