Thrash mirevy (Soradra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza izy izany ry ry bandy e?!
Tsisy matoritory izany e!
Valaka ve sa efa mamo e?
Aty, vonjeo aloha ny akama e!

Ny revinay, izay tianay ihany no atao
F’aza miditra amin’izany koa aloha raha ianao
Revy manadala, tsy azo ozongozonina
Izay tsy mahazaka miala dia mahaiza mionona

Izahay tsy mila bandy mpanao tsianjery
Rehefa kelikely ialahy tsy maintsy ho very
Ampiakaro aloha ny pataloha
Mba menatra f’aza manao be loha

Revinay tsy mbola tapitra tohizanay
Izay manakiana aleo ho any tsy raharahanay
Tsy azon’iza sakanana koa izahay
F’aleo fotsiny izahay hirevy, f’inona ndray


Tonony sy feony : Faniry Ram
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Soradra
Vangy : 1470
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/05/2015 22:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735