IRAY ISIKA (SLKAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
Vonona hifandray hifampitantana,
Fo iray ho sahy hanandratra fitia,
Hitory fa Iray ny Tompo Iray koa Andriamanitra
Haneho fa tena iray isika hatrany an-danitra

Isika izao samy manana izay finoany,
Notezaina tao anatin'izany hoe: Fanompoana
Indrisy mahamenatra fa tsy mahay mifankatia,
Mifanaratsy mifandrafy,
toa sanatria tsy mpianatr'i Kristy

Adino angamba ilay Jesoa Fitiavana,
'Lay nanolotra ny ainy hampiavana,
Nahafoy tokoa ny lapasoa
Mba hampianatra antsika hitia,
Hampifandray ireo 'zay tsy mety miara-dia
Faizaho sy ianao (*2)
Vonona hifandray, hifampitantana, ...

Mbola maro 'reo mpino tsy te-hahalala Anao
fa manindraindra ny azy sahy manamavo ny hafa,
Dia izy ireny ondray no toa mamafy voa tsy mendrika
Mahatonga fihemorana ,
Ho an'ireo tsy mbola manana finoana

Adino angamba ilay Jesoa fitiavana ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLKAF
Vangy : 1339
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Amboarakely
Daty : 29/06/2015 12:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4759