FALY AHO MANANA ANAO (SLKAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He! tsaroako isan'andro
raha vao mihiratra ny andro
fa mbola tia ahy Ianao Jesosy
tsy namela ahy ho irery tamin'ny ady mahery
fa nambomba'ty mpanomponao
fifaliana hatrany no niainako izany
niboiboika nameno ny foko
tena sambatra aho satria manana Anao
Andriamanitra Ray sady Tompo

Zao rehetra izao ry Ray
Tsy mba nahavonjy ahy
Fa ny tananao mahery
No nihambina ahy tsy ho very
Raha tsy miaraka Aminao
Zava-poana izay atao
Fa Ianao anie rehefa tia dia tena tia

Ankalazainay ny Anaranao
Hoderainay mandrakizay
Asandratray Ilay voninahitrao
Fa Ianao no Mpanjakanay
--------
Rohy:
Hevitra
fils15 ( 26/06/2015 15:39)
Mahereza daholo eh!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLKAF
Vangy : 2795
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Amboarakely
Daty : 24/06/2015 15:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734