You are here: home > Tononkira > Silo

Embona (Silo)

(extrait de l’album RIMO RIMO)
paroles et musique : Silo Andrianandraina


Hira tsotra kely iray
Tavela teo ho anay
Ka ho mandrakizay
Vazo feno hafanana
Naverina mazana
Ka tsy azonay ialana
Kalo niarahana nanao
Na ny tonta na ny vao
Tsy nety nankalao
Indro lasa fifaliana
Lay hira tsy hay vidiana
Hanala ny mangina

Ny haizina nanjary ho mazava
Ny saona indro fa nisava
Mozika niarahana nikolo
Ny lalao tontolo
Toa zaza be daholo

Ka RaiTsiky dia ampyso handrotsirotsy anao
Ho hira vaovao
Mba ho ao anatinao
Hira mety ho veloma
Tsy hay adinoina
Tsy sarotra fa hoe
Eiah ! Eiah ! ento mande !

Mbola hira tsotra kely ihany
Hirahira hatrany
Vao miala ny ento antany
Ka Raiso handrotsirotsy anao
Ho hira vaovao
Mba ho ao anatinao
Hira mety ho veloma
Tsy hay adinoina
Tsy sarotra fa hoe
Eiah ! Eiah ! ento mande

(ses chansons sont disponibles sur http://www.silo-sdf.com)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Silo
Mpamaky : 3225
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 23/08/2002 07:39:44
ID : 903

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo