You are here: home > Tononkira > Silo

Akamanao (Silo)

Akamanao


Izaho akamanao,
Izaho akamanao ange e.
Na avy aiza na avy aiza ianao
Izaho ho’aho tsy fahavalonao.
Izaho akamanao,
Izaho ho’aho tsy miady aminao ange,
Na avy aiza na avy aiza ianao,
Izaho ho’aho tsy hifamely aminao ô.

Olombelona mora soa
Olombelona mora ratsy koa,
Tsy misy tsy tia ny soa
Izay mandeha amin-tany.
Na avy aiza ny razanao
Na inona lokonao ange
Ny fifandeferana
No aoka handeha aloha.

Fifanajàna, fifankatiavana
No tena ao am-po,
Aoka tsy ny ady no eo aloha,

Eie ! ie ! ie !
Aia e !

Fihavanana, firaisan-kina,
Fihavanana, firaisan-kina,
Tsy aleo ve mifankatia !
….
Fifanajàna, fifankatiavana
No tena ao am-po,
Aoka tsy ny ady no eo aloha,
Fa mandratra fo.



Ami


Je suis ton amtononkira.serasera.orgi,
Oui, je suis ton ami.
Quelle que soit ton origine
Je ne suis pas ton ennemi.
Je suis ton ami,
Je ne te cherche pas querelle,
Quelle que soit ton origine,
Je ne veux pas me battre avec toi.

L’être humain peut être bon,
L’être humain peut aussi être mauvais,
Tous ceux qui sont sur terre
Aspirent au bien.
D’où que tu viennes,
Quelle que soit ta couleur,
Laissons la compréhension mutuelle
Prendre le pas sur tout le reste.

Respectons-nous, aimons-nous
Du fond du cœur,
Et que la guerre ne prenne jamais le dessus.

Eie ! ie ! ie !
Aia e !

Concorde, solidarité,
Concorde, solidarité,
Préférons l’amour !
….
Respectons-nous, aimons-nous
Du fond du cœur,
Et que la guerre ne prenne jamais le dessus,
Car elle déchire les cœurs.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Silo
Mpamaky : 2452
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Hasimbola
Tamin'ny : 22/04/2003 10:38:18
ID : 1611

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo