Hihira aho (Nivo & Serge Rahoerson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dodona ery tsy mahalala ora
Maika hifoha tsy miandry maraina
Tsy rano tsy vary an-kibo fa maika
Rehefa ianao sy ny hira no aleha

Hihira aho ho anao
Fa mamiko ny hira ho anao

Tsy tsaroana intsony ny fotoana lany
Mivadika ny andro nefa io eo ihany
Raha ianao sy ny hira no manao fotoana
Tsy ho lavitra ahy fa hitoetra foana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nivo & Serge Rahoerson
Vangy : 3074
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/05/2015 13:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3043