NY FITIAVAN'I JESOSY KRISTY (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavan'i Jesosy Kristy
Dia tena loharano miboiboika
Avy ao anatiko ao, ka dia manosika ahy
Hanambara aminao Fitiavana
Satria ny fitiavan'i Jesosy Kristy
Dia fitiavana tena hafa kely
Ka na ny ainy aza dia natolony
Mba hamonjena antsika olony

Ka ianao manana ny fitiavan'i Jesosy Kristy Tompo
Dia torio izany fitiavana izany
Tanteraho ireo didim-pitiavana izay nomeny antsika
Dia ho hitanao ho sambatra tokoa ianao

Ny didy lehibe izay nomeny
Dia ny mba hifankatiavantsika
Fa io no didy iray hahafantarana
Fa mpianany tokoa isika
Satria ireto telo ireto no mitoetra
Finoana, fanantenana, fitiavana
Fa ny lehibe indrindra amin'ireo telo ireo
Dia ny fitiavana , Fitiavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 3176
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 14/06/2015 22:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.117