'LAY ANDRO FANAVOTANA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Misy andro anakiray, napetraky ny Ray
Tsy maintsy ho tandremana, hambara ny taranaka
Andro hiravoana, ka hanompoana
Lalàna hatrizay mitohy mandrakizay
Ambara amin'izay, zay nataon'ny Ray
Ilay sandry mahery, nitondra ny Israely
Fanavotana anao, fanafahana anao
Hiala ny tanàna nandevozana

2- ilay hafatry ny Ray, dia to mandrakizay
Fa seho hafa vaovao, no nanavotany ahy sy hianao
Roa arivo taona izao, ny vonjy izay natao
Ka hira no asandratray ho fisaoranay
Jeso no nanao, fisoloana anao
Tsy ran-janak'ondry, fa ran'ilay mpamonjy
Nanavotana anao, nanafahana anao
Voavono Kristy, pasaka ho ety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 1924
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 07/02/2017 10:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1647