VONONA TOKOA (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

Ary nandre ny feon’ny Tompo aho
Feon’ny Tompo izay manao hoe
Iza no hirahiko, iza no handeha?
Iza no handeha ho irakay
Inty aho ry Tompo , vonona tokoa
Vonona Tokoa mba ho irakao Jesoa
Na ho mafy na ho moa ny asa izay atao
Vonona hisedra anie ny miaramilanao
Inty aho ry Tompo, vonona tokoa
Vononatononkira.serasera.org ny handeha ho irakao.
Inty aho ry Tompo , vonona tokoa
Vonona Tokoa mba ho irakao Jesoa
Na lavitra na akaiky ny lalana aleha
Tsy mifidy lalana ny miaramilanao
Inty aho ry Tompo vonona ny handeha
Tsy naman’izay mihemotra izahay

Inty aho ry Tompo, vonona tokoa
Vonona Tokoa mba ho irakao Jesoa

Hery Razanakoto( Juin 2015)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Mpamaky : 202
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : belouhrazan
Tamin'ny : 14/03/2018 12:39:39
ID : 10461

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo