Tandremonao (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF : Mamafy rivotra hijinja tadio
Tandremonao sao dia mba tratran’io
Ny voa nafafy tsy maintsy jinjaina
Koa mandehana fa aza malaina

1)Raha toa noana ny fahavalo
Dia mandehana omeo sakafo
Raha mangahetaheta ny namanao
Omeo rano izy ireo hosotroiny

2)Raha toa ka misy ireo mahantra
Dia mandehana omeo fiantrana
Raha toa ka misy ireo malemy
Dia mandehana hatanjao izy ireny

3)Ka mba fidio ny voa afafy
Ho masomboly tena voasedra
Dia hohitanao ny vokatr’io
Fa taona ziana ê! Ny fiainanao

A.Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Vangy : 832
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : belouhrazan
Daty : 09/03/2018 08:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2261