IO VAVAKA IO (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io vavaka io no tena zava-dehibe
Famahana ny olana n’aiza n’aiza aleha
Raha sendra fahoriana, na ireo fifaliana
Dia io vavaka io anie no ampiasao
Fa io vavaka io anie raha vokatry ny fo
Dia ho valian’ny Ray tokoa raha toa ka mahasoa
Io vavaka io no tena zava-dehibe
Famahana ny olana n’aiza n’aiza aleha
Raha sendra hakiviana na ireo fitsikiana
Dia io vavaka io anie no ampiasao

Io vavaka io no tena zava-dehibe
Famahana ny olana n’inon’inona atao
Raha sendra fitsapana na ireo ady sarotra
Dia io vavaka io anie no ampiasao
Fa io vavaka io anie raha vokatry ny fo
Dia ho valian’ny Ray tokoa raha toa ka mahasoa
Io vavaka io no tena zava-dehibe
Famahana ny olana n’inon’inona atao
Raha sendra ireo ratsy na ireo fahasoavana
Dia io vavaka io anie no ampiasao

A.Hery RAZANAKOTO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Vangy : 804
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : belouhrazan
Daty : 14/03/2018 12:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1574