FIAINAM-BAOVAO (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

1-Fiainam-baovao tsy maintsy hosedraina
Ho mafy tokoa kanefa antenaina
F’Ianao Jesoa no homba sy hitahy anay tokoa
Raha toa ka faly na tojo ny manjo

Enga anie hanjaka ao anatinay
‘lay fitiavana, fandeferana
Hahaizanay hiharitra ny mafy Raiko tia
Sy hatoky Anao koa mandrakizay doria

2-Mety htononkira.serasera.orgo hita ao tokoa ‘lay fifaliana
Mety hosedraina koa’reo fahoriana
‘reo fitsapana maro tsy hay visaina Raiko tia
Ianao anie no hitantana ny dia

Enga anie hanjaka ao anatinay
‘lay fanantenana ary koa finoana
Hahaizanay hiatrika ny ady marobe
Handresy hatrany amin’ny fiainana.


A.Hery Razanakoto

A.Hery Razanakoto

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Mpamaky : 191
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : belouhrazan
Tamin'ny : 14/03/2018 12:35:23
ID : 10459

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo