EKENAO VE ? (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ekenao fa misy tokoa ve ? lay Ray ao ambony
‘zay hivavahana sy inoana tokoa
Izy ‘lay Ray be fitia,namonjy ireo ‘zay nania
Ka miantso anao : miverena ,Ry ondry nivena
Raha toa tsapanao fa be tokoa ireo otanao
Dia mibebaha ianao sao ho neninao
Izy no efa niteny, fa hitsara anao (hitsara anao)
Amin’ny andro izay handraisany anao

2-Ekenao fa misy tokoa ve ? lay Jesoa Mpanjaka
Mpitari-dalana , sy ’lay Tompo tsitoha
Izy no ‘lay kapiteny,mpamonjy ny olona very.
Ka miantso anao : miambena, fa ho avy tsy ho ela
 Ho anao ‘zay mino fa izy tokoa no Mpanjaka
Dia voavonjy ianao sy voavela hatrany
Maneke azy amin’ny alehanao rehetra(Ô !maneke)
Fa izy homba tokoa ny faiananao ho avy.

A.Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Vangy : 778
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : belouhrazan
Daty : 14/03/2018 12:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724