Ekenao ve ? (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

1-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Mba hampiasa izany saina, ka ahafahana miaina
Ka  na inona atao, hafatoy aloha ny saina
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa

2-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Hampiasa izay hanànana, hampitombo ny eo an-tanana
Ka na inona atao ,aza miandry ampiana foana
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa

tononkira.serasera.org3-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Ka malaina ny hisahirana,tsy hahita ny mangirana
Ka na inona atao,tsy maintsy miafy aloha ianao
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa
REF:
Fa zava-poana ihany izany hoe finoana
Raha tsy arahina tokoa amin’ny asa izay atao
Fa toy izany koa, zava-poana re ny asa
Raha tsy arahina finoana
Tsy afaka misaraka ny asa sy finoana

         ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Mpamaky : 162
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : belouhrazan
Tamin'ny : 09/03/2018 08:28:39
ID : 10429

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo