HE RAVO (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Eh ravoravo ny fonay
Manatrika ‘ty andro iray
Nomenao hifalianay
Ry Rainay tia mandrakizay

Ref:Raiso re ry Tompo ô
Ny fisaorana izao
Ho anao maharitra
Ny haja voninahitra

2-Ka ny zavatra hanananay
Hanaovanay ny asanao
Mba raiso ho Anao ry Ray
Ho fanatitra sitrakao

Ref:….

3-Dia ho tsaroanay tokoa
Ny fitahiana sy ny soa
Ny fanambinanao Tsitoha
Ankasitrahanay avokoa

Ref:….

(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 997
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mampionona0912
Daty : 28/02/2019 12:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727