Manolo-tena (Sampati 17e FJKM Kristy Fehizoro Toamasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatsotrako ny tanako aminao ry jeso!
Hasandratro ny feoko ho renao oo!
Satria tena tsapako,miazona ahy ianao
Mitantana mitari-dalana aaa
Nandritra ny andro-niainako
Dia teo foana ianao,
nikolokolo ny fiainako na dia zaza maditra aza aho
Manomboka anio jesoa, hifikitra aminao aho
Ireo ditraditra nataoko hilazako zao dia izao o

Inty aho manolotena ho anao jesoa
Hiova ho olombaovao
Dia hanaradia hanaraka anao
Tsy handik'ireo didinao
Inty aho manolotena ho anao jesoa
Hiova ho olombaovao
Ka raiso raha toa ka sitrakao Tompo
Fa tena babonao

Na hisedra ady mafy aza aho
Na handalo fitsapana
Mahatoky manana anao
Satria ianao no hiady ho ahy
Ka n'ino n'inona hafafin'ny satana
Izao hijoro hatrany hatrany
Ireo devoly mitady hisintona ahy
Tsy hahasarika noho ianao

Inty aho manolotena ho anao jesoa
Hiova ho olombaovao
Dia hanaradia hanaraka anao
Tsy handik'ireo didinao
Inty aho manolotena ho anao jesoa
Hiova ho olombaovao
Ka raiso raha toa ka sitrakao Tompo
Fa tena babonao
Babona babonao, Tena babonao aho
Babonao resinao, Inty aho hanjakao
Babonao babonao, Tena babonao aho
Babonao resinao, Inty aho hanjakao
Babonao babonao,Ray o! Tena babonao aho
Babonao resinao, Inty aho hanjakanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sampati 17e FJKM Kristy Fehizoro Toamasina
Vangy : 854
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bangiro
Daty : 13/06/2019 11:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081