Dia tsy ho foana ny fanantenana (Hira faneva faha-40 taona) (SAMPANA FANANTENANA (FPVM Taninanandrano))

Misaotra Anao izahay nikolokolo sy nitaiza
Nandritry ny 40 taona teny an-tanim-pitoriana
Ianao nitari-dalana, nitsinjo hatraiza hatraiza
Na tao anaty alahelo na orakoram-pifaliana.

Ny taona maro nodiavina, taon-dasa tsy tsaroana
Nandalo andro volana teo am-pelantananao
Ny asa maro izay natrehina mampitombo ny finoana
Torovana sy reraka, ka dia voasolo aina vao.

Faniriana isan'andro, mipololotra avy ao am-po
Ny hoe tsy hoela intsony no hiavian'ny Tompo soa
Ady sarotra ny asa kanefa izay no hatsapàna
Fa raha mbola hisy ny farany :
Dia tsy ho foana ny fanantenatononkira.serasera.orgnay.

Koa manantena izahay ho tratranay ny fetra
Satria Jesosy no mialoha sy mitarika hatrany
Manambara ombieny ombieny hoan'ny olona rehetra
Fa ny mpisotro sy mpifoka dia tsy ho tsara ny hiafarany.

Ny asanay hatreto aloha manentana ny velona
Mitory teny mahasoa amin'ny tokantrano maro
Fa ny fisotroana toaka sy ny zava-maha-domelina
Manimba saina sy fanahy, ka aoka re mba hatsaharo.

Faniriana isan'andro, mipololotra avy ao am-po
Ny hoe tsy hoela intsony no hiavian'ny Tompo soa
Ady sarotra ny asa kanefa izay no hatsapàna
Fa raha mbola hisy ny farany :
Dia tsy ho foana ny fanantenanay.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SAMPANA FANANTENANA (FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 116
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : iony.raz
Tamin'ny : 10/08/2018 13:46:49
ID : 10862

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo