Tiavina (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tezitra be tamin’i maman-dry aho
fa izy angamba efa lasa adala
Le sariko teo andoha fandrian-dry
nosoloiny soratra hoe
Arovy aho Tompo
Ireo boky feno taratasy siambaratelontsika ireny
Efa nafoiny sy nosoloiny Baiboly be dia be

Sao mantsy ianao variana any an-danitra any
Hanadino ahy eto an-tany
Fa misafidiana aminay roalahy
"Jehovah " sa " Izaho"
F’ireo mivavaka any ambony any ireo re!
Sahirana raha miaina
F’izaho kosa eto an-tany
Tsy ampijaly anao izany aho
Hamalifaly anao hatrany

Ilay tambohom-piangonana fanaovan-tsika rendez-vous taloha
Efa nasian’ny Pasitera soratra hoe
Tsy azo ijorojoroana eto ô!
Inderto re ry havako fa nosarihiko singa-biriky anakiroa
Hanaovantsika izany souvenir n’ny lasa tsy mba hangina

Tiavina an! Tiavina oh!
Tiavina! Zay tianao no toavina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 15614
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 22:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718