Poteau be (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Areheto, areheto ny poteau
Areheto ny poteau Rakoto fa am-bavaloza ny population

Efa maizina tanteraka ny tany aman-danitra e
Ny poteau-n’ny JIRAMA no tsy mirehitra mazàna
Mihamaloto foana io, mihamaloto loha ny olona io
Tena anatin’ny aizina tanteraka ao ange

Areheto, areheto ny poteau
Areheto ny poteau Rakoto fa am-bavaloza ny population

Fa ny takamoan’ireo poteau efa tsy ao intsony
Efa nisy nanongotra any koa ny tohy e
Ilay jiro efa tsy azo antoka no mbola hiverina hirehitra indray
Ny sekosin’herinaratra mitambatra ny miiba sy ny miabo o

Areheto, areheto ny poteau
Areheto ny poteau Rakoto fa am-bavaloza ny population

Monsieur Fivondronana o, aloavy ny facture-n’ny JIRAMA
Fa laharam-pahamehana ny fandriampahalemana e

Areheto, areheto ny poteau
Areheto ny poteau Rakoto fa am-bavaloza ny population

Fa ialahy mpody alina io Rakoto, mbola ho faty ialahy
Indry mpody alina io r’Ikala, mbola ho faty indry e

Areheto, areheto ny poteau
Areheto ny poteau Rakoto fa am-bavaloza ny population

Araka ny didy nifanapahana teny amin’ny Antenimiera, manaraka ny politikan’ny fanairam-pahefanan’ny Repoblika Fahatelon’i Madagasikara, dia ny Firaisana enina eto Antananarivo no natambatra ho renivohitra. Fa mitomany ny renivohitr’i Madagasikara nefa na fil aza tsy eny amin’ny poteau intsony. Fa mila fahazavana ny mpiasa vao hanohy miasa, mila fahazavana ny mpianatra vao hanohy ny fianarany, izany hoe tsy afaka mandroso isika raha tsy mirehitra ny poteau. Ary tsy hilamina mihitsy ny tany e !
Efa hoe tsy milamina izany ho’aho ny tany raha tsy mirehitra ny poteau fa ny an’i anona koh !
Tsy hilamina !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 3035
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/10/2015 19:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723