Mila namana (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza fantatro anie ny adiresinao iny e
Fa amangivangiko anao ô, ôh matetika ange
Aza fantatro oah! ny telefônao iny e
Fa andaniko 25 unité amin'ny télécarte e (x2)

Fa ny bikasoanao iny e
Dia tsy matiko lolo ô
Ny tsikitsikinao iny ihany koa
Dia mandorondoro
Ny hevitra ambaranao amiko ange
Ohatran'ny mifonofono ô
K'izany no nahatonga anah
Hisarizoro aminao zah oeh

Dia hikôtikôty
Dia hisafosafo
Dia hikitikitika
Dia hisarisarika e (x2)

Efa fantatro fa
Misy fitiavana e
Anatin'ny lohanao any e
Misy fikasana
Anatin'ny nifinao any e
Misy entana oah
Amin'ny atin-akanjonao any e
Mila namana oah
Ny amin'ny atin-akanjonao any e
K'aza hodianao fanina izany a

F'isika sy ianao no mitambatra anie
Hikatsaka ny fifaliana
Dia ho tonga amin'ny tanjona irina oah
Ho eny an-tany ny sambatra e (x2)

Manao dômy ny mpifankatia
Ianao no mitela ny double enina
Na manao ramy oah ny mpifankatia
Tsy maninona efiko trefla ô

F'efa matotra tsara e
Ao amin'ny ara-dalàna
Tsy anampina ary tsy analana oah
F'efa matotra tsara e (x2)

Aiaieh, aiaialalala!
Aiaieh, aiaiaôh! (x2)

Aza atao an'izany aho oah chérie chérie e!
Aza hodianao fanina izany ity foko ity!
Aza angaringariana sy iavonavonana aloha zah oeh!
Fa rehefa mitsika aho oah dia mba valio (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 15488
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 22:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1083