Miarahaba (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miarahaba anareo re ry Ambanilanitra.
Miarahaba anareo ôh!!!
Miarahaba anareo f’elaela tsy nihaona.
Miarahaba anareo ôh!!!
Miarahaba anareo fa tahian’ Andriamanitra.
Miarahaba anareo ôh!!!
Mahita anareo, ka sondriana, finaritra.
Miarahaba anareo ôh!!!

Tena tonga nareo ty fa tsy vazivazy
Miarahaba anareo ôh!!!
Faly ny fonay, fa tsy sangisangy
Miarahaba anareo ôh!!!
Tonga dia kaly mameno vilany
No aroso anareo ôh!!!
Carnaval be ny androany
Manasa anareo ôh!!!

Miarahaba anareo ôh!
Tratry ny fety an!!!
Mirary anareo ôh!
Mba hahita ny mety an!!!
Isika no mpihavana ôh!
Ka aleo tsy mifanavaka
Tolory ny tanana ôh!!!
Dia bisou ny takolaka an! Eka !!!


Tonony sy feony: Samoëla RASOLOFONIAINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 1904
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/05/2017 10:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743