Mandeha (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy maintsy hoe nifitra ihany aho
Tsy maintsy niala tampoka ihany aho
Na mamiko aza ny revinao
Na tsy foiko ny anilanao malala ô

TSy maintsy niala ilany ihany aho
TSy maintsy hoe namono phone aho
Satria manana ny fiainako aho
Izay tsy iarahako aminao malala ô,

Mbola lavitra ny lalako
Tsy mety koa ianao bahanako
Haiko fa tsy ianao no anjarako
Na dia reven'ny ratsam-batako

Aleo mihitsy ianao tsy ateriko
Fa sao ho neniko ny teniko
tsy te hahita ny ranomasonao aho
Sy izay mety ho hatezeranao fa...

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao raparapa tsy fidiny
ieee

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao bevokoha tsy fidiny
ieee

Tampotampoka eo dia tsy hita
Fa raha mijanona dia raikitra aho
Tamana fary mamy be ao
Tsy te hamalona fandriana ao aho, malala ô

Tsy maintsy hoe nipitsika aho
efa dify efa tsy any intsony aho
Satria manana ketrika aho
Izay tsy iraisako aminao malala ô

Ianao haiko fa tsy ho namako
Fa sendra teo dia mba niondanako
Nifanojo zotra tamiko
Nipelipelika ka laniko

Nahita tsirony aho ka satriko
Manan-tompo fa nindramiko
Fa ankehitriny ianao hadaboko
Bonne chance dia mazotoa fa...

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao raparapa tsy fidiny
ieee

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao bevokoha tsy fidiny
ieee

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao raparapa tsy fidiny
ieee

Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
Sao bevokoha tsy fidiny
ieee

Mandeha ny mandeha
Mandeha ny mandeha
Mandeha ny mandeha
Izay kaontiny dia vidiny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 4505
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 20/01/2019 22:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2811