Manantena (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia niantso ahy indray ianao
Nanontany vaovao
Hoe azon-tory ihany ve ?
Sa mbola degany be
Ny hatezerako ?
Dia mbola miantso foana foana ianao
Manadihady manontany
Hoe efa mandry ve ny tany ?
Mba nanadinon ve ny loh ?
Efa nitony ve ny fo ?

Raha te hahafantatra an’izany ianao malala an
Tsy mila miantsoantso izany
Efa hainao hatry ny ela
Ilay Samoela Samoela
Mbola aminao no manantena o.
Raha te hahafantatra an’izany ianao malala an
Aza lany andro manontany
Ny fanafodin’izany
Kobonao avy hatrany
Fa ny fahatongavanao eto ihany

Fa mahay zavatra Andriamanitra o
Mahita anao aho ka finaritra
Hadino teo ilay ady varotra
Fa mahay zavatra Andriamanitra o
Mampiadana ary mahafinaritra
Nandositra any zao ny sarotra.

Dia mbola miantso indray ianao
Tsy manan-tongotra sa reraka an ?
Dia izaho eto maminany, lasa saina be ihany
Hoe amin’ny firy raha androany ?
Dia mbola miantso foana ianao
Tena reraka, tena valaka
Dia izaho eto manontany
Hoe misy ihany ve androany
Dia amin’ny firy ary izany e ?

Raha toa ka ho tonga ihany ianao malala
Tsy aleo ve mba izao dia izao
Fa efa niandry aho hatry ny ela
Dia mbola eto mihenahena
Miesona efa manantena o
Raha taratara ihany ianao vao ho afaka malala
Dia aza maika rehefa avy eo
Sa izaho ve no tsy ampy kandra
Sa izaho no tena nandranandra
Fa ngoma anao aho lalandava

Lazaiko anao ny tena marina o
Matoa aho tsy mody fanina
Tiako tsika roa milamina
Dia lazaiko anao ihany koa
Raha toa ka samy be loha
Simba be nge isika roa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 4233
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 30/11/2015 21:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127