Io aloha (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io aloha no misy, io aloha no eo
Mila asiana tsikitsiky o, izay zavatra miseho

Andriamanitra ambony ao tsy afa-miangatra ho anao
Fa raha 'ty moa par tour dia tour-nao izao
Izay ilay fiainana eto an-tany indraindray mety ambony mety ambany
Fonosy vý mbola tsy lera fa tsy maintsy mihodina ny sera

Io aloha no misy, io aloha no eo
Mila asiana tsikitsiky o, izay zavatra miseho

Sanatria tsy manambany, tsy ampahafiriny an’izany
Mba jereo ny akaikinao fa mangidy noho ny anao
R’ikala Lija makorelina, i Douara hiverina eny am-ponja
Ry gilabe lay mpanapoaka niharan’ny tena fitsaram-bahoaka
Mivangongo be ny olana, isika miady, mifanolana
Zaka be tsy normaly fa ho faty ihany no iafarany

Io aloha no misy, io aloha no eo
Mila asiana tsikitsiky o, izay zavatra miseho

Sanatria tsy hoe mandatsa fa izay miezaka no tafa
Raha taraina lava tsisy farany, androrosy no anarany
Sanatria tsy ratsy saina fa mila potserina ny vay
Mila mijoro rehefa ilaina anie, manontany rehefa tsy hay

Ambony môralinao kamarady
Aza resin’ny tsindry aloka fa miady
Ambony ny herintsaina raha hitady
Raha vao sempotra am-pandehanana dia dangy

Io aloha no misy, io aloha no eo
Mila asiana tsikitsiky o, izay zavatra miseho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 3331
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/05/2019 09:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1711