Ikalakely (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy tsy hanambara rahoviana hoe :
"Tia anao" izany
Fa tena tia tokoa ve
sa manaiky fotsiny ihany
Izy tsy hanambara rahoviana
izay tena an-dohany ihany
Izy ’nefa tsy mandà
fa toa manaiky hatrany hatrany

Nefa ny ao an’eritreriny hoe :
lasanao ny fony
Efa ambarany amin’ny fihetsiny hoe :
’ty ny vatako tolomy
Dia toa miandry atao an-keriny izy
’Zany angamba no tiany atao
Efa ’zay ’lay kalakely iny e
izy hanahaka ny neniny / tia fa tsy an-kiteniteny

Izay "passe"-nao "passe"-nao
Ny revinao revinao
Rehefa tia ianao de ’zay
Fa reventsika milay foana izy e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 35736
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njo
Daty : 08/11/2001 18:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.064