FOLAKA IHANY (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara à!
Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !
Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara à!
Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Hanakory ny ho avin'ty ?

Ilay ankizivavy amin'izao fotoana,
Mirongatra sady toa mamba noana ry zama à!
Ny statistika ankehitriny,
Iray isan-jato ny virijiny Madama à!
Iry vao oviana no niala couche,
Mi-accoste sady mitositosy ry akama à!
Iry zazakely vao firy taona,
Ny kibo mibontsina toy ny pôma. Azafady ary !

Folaka ihany….

Maty fosan'ny bandy akama,
Kôpy jiaby ny iray tanana ry Mama à!
Fa ikalamalalan'ny be dia be,
Efa bikina mbola mandehandeha. Tsy arako intsony !
Ny MST efa izy tsy izy:
Sida, angatra, sifilisy. Tsy hay mihitsy à!
Fa mba fara-faharatsiny miaro-tena,
Pelipelika anefa dia votsa saina. Mbay tany à!

Folaka ihany….

Ry dada sy neny mba mihevera,
Rehefa voa anie ka tsisy « marche-arrière », mba jereo à!
Ny zanakareo anie ka manala azy,
Mitrifana sahala amin'ny mpamosavy ! mba marina mafy !
Fa koboko teto izy afak'omaly,
Efa avy nanao ny nataony tany! mba kôzy à!
Fa vao misy revy, dia lasa any,
Nefa izay lasany any dia mampamangy. Mampamangy any anatiny any !

Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara,
Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !
Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara.
Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Hanakory ny ho avin'ty ?

Folaka ihany ny anao ô ! Tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara,
Mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. Ela ny ela ka voa !
Izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara.
Ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an'ity jôba ity. Oay ‘zany bikan’ty !!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 18248
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsimanontanilahy
Daty : 22/07/2011 20:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116