Fasana (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hirahira, kalokalo vaovao
No atolotro ho anareo androany
Ry akama tsy foy !
Vazovazo hirahira ho atao sovenira...

Raha iny aho no lasa, dia lasa tsy hiverina intsony,
Hitoetra eny andanitra erony e,
Ny vazoko sisa
No mba aleo hitanisa.

Ny zava-drehetra
Tsy misy mitoetra,
Miserana ihany,
Izany no fiainana antany e,
Izay sisa tsy lanin'ny biby dia haolo,
Ho bobongolo daholo daholo, daholo

Asivo gitara eo andohan'ny fasako
Hiandrasako anao,
Hanalako hamohamo ô,
Ka aza akama mandalo
Fa avia mivily hikalo

Raha izao aho no lasa dia asio mpaka-sary,
Manaova izay mety dia bal sy hirahira
Aza arahina sento tomany aho

Fa ny fiainana asivo siramamy,
Na ny vatomamy, na ny mofo mamy,
Ny revitsika tohizo hatrany
Na ny parady na ny Dzamanjary !
Aza misy arianao ´zany ´reo,
Aza misy adinonao mihintsy ireo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 2591
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Direct
Daty : 13/04/2016 15:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2142