You are here: home > Tononkira > Samia Ambodihady

Mpiaro ahy (Samia Ambodihady)


1-Nivezivezy toa very an-tany efitra aho
Nirenireny nikaroka fiadanana aho
Fa lany andro , lany andro tsy nahita
Tsy nisy izay nahafa-po

Dia indro tonga ny aizina ka nanarona ahy
Nitebiteby sy niahiahy fatratra aho
Toa tsy haiko akory fa misy Ilay Ray ambony
Fa Izy no mpiaro ahy

Ref:
Soa fa eo Ianao ,mijoro eo anilako
Mitantana ny dia, miteny hoe matokia
Fa indro Izaho no momba anao
Ny foko Ray รด, ny fiainako rehetra koa
Indro atolotro, Tsiky dia ampyho Anao avokoa
Ianao no hitantana ny dia
Ka na dia misy, misy zava-mampahory, tsy ho kivy
Satria Ianao no MPIARO AHY

2-Ety an-tany tsy misy azo ianteherana
Mandalo ihany fa tsy mba natao haharitra
Tsaroako anefa fa misy Ilay Ray ambony
Fa Izy no MPIARO AHY

2-Ety an-tany tsy misy azo ianteherana
Mandalo ihany fa tsy mba natao haharitra
Tsaroako anefa fa misy Ilay Ray ambony
Fa Izy no MPIARO AHY

Ref:
............................................................



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Samia Ambodihady
Mpamaky : 93
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : samiaambodihady
Tamin'ny : 07/11/2018 13:49:49
ID : 11095

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo