Manana Anao (Samia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Na mifofofo ny tafiotra
Ka manonjanonja izany rano
Ny sambokeliko tsy maintsy ho tody
Satria Ianao Jeso no Kapiteniko

Refrain:
Manana Anao e, tsy mba misy mampanahy
N'inona manjo, tsy ho kivy koa
Manana Anao Jeso, matoky aho fa tsy ho irery
Ianao no anankinako ny ho aviko

2-Na mamakivaky onja mahery
Jeso mihazona ahy tsy mba ho very
Fa miteny hoe:"Mangina , mitsahara"
Ka mampitony ny tebitebiko

Refrain

Manana Anao , tsy manahy manana Anao, matoky aho manana Anao, .....
Ianao no anankinako ny ho aviko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samia Ambodihady
Vangy : 935
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : samiaambodihady
Daty : 07/11/2018 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728