Aza matahotra (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- ''Raha misy roa na telo izay mivory Amin'ny Anarako''! Tsarovy eh
Jesoa eo afovoany lalandava ka sahia ianao mitory e!
Ho sarotra sy ho mafy ny ady izay tsy maintsy atao ka maherez'e!
Fa hoy Jesoa hoe:

REFRAIN:
Aza matahotra, aza mangovitra, aza mba ketraka ianareo
Ny alon-drano tsy maintsy hanonja, ny loza maro tsy maintsy hiseho
Fa eo indrindra Jesoa ho tonga, Aza matahotra ianareo

2- Raha toa ny rivo-doza sy orambaratra miseho mivatravatra
Ka tonga ao an-tokantranonao ny tolona tsy omby tratra
Jesoa efa niteny hoe mangina e! Mangina mitsahara
Dia aza kivy Ehh!!

REFRAIN:
Aza matahotra, aza mangovitra, aza mba ketraka ianareo
......

3-Raha mbola velon'aina ka omen'i Jesoa Tompo tombon'andro
Ny feoko dia asandratro hankalaza ny Anarany isan'andro
Ventsoiko ao am-bavako na mafy ny hazakazako satria e!!
Jesoa niteny hoe:

REFRAIN:
Aza matahotra, aza mangovitra, aza mba ketraka ianareo
......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1168
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 31/01/2018 17:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713