O ry malagasy hendry (Sadas groupe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ô ry malagasy firazanana ô
ity misy hafatra tianay ho ampitaina
ry vahoaka maro sy liam-pihavanana ô
andeha ré isika hiray fo sy hiray saina

[fitaratr'izao tontolo izao ianao anie ry malagasy ô
malaza mahay mifankatia
andeha hiara anandratra 'lay hiram-pihavanana
ny mizarazara ataovy sanatria] [*2]

ô ry malagasy tia fihavanana ô
ity no tena hafatra tianay ho ampitaina
ry vahoaka maro sy liam-pivoarana ô
andeha ré isika mba hifanaran-tsaina

[fitaratr'izao tontolo izao anie ianao ry malagasy ô
malaza mahay mifankatia
andeha rè ho atambatra ny hiram-pihavanana
ny adiady ataovy sanatria

na avy aiza na avy aiza raha teto gasikara ny tany izay nipohiranao
na fotsy na mainty na mety ho zarazara, ny lokon'ny fihodiranao
malagasy izaho, toraha izany ianao, isika ireo tsy misy hafa fa mitovy
gasikara iray, izaho sy ianao iray, ny fihavanana kajio sy tandrovy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sadas groupe
Vangy : 910
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Fafanomezantsoa
Daty : 21/03/2018 17:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2126