Ndeha rahavako (R'Zalà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa safidinao ny handao
Efa ela koa ianao no lao
Inona ary moa no azoko atao
F'izay no fanapaha-kevitrao

Ndeha ary ianao rahavako
F'izay tadiavinao tsy tratrako
Ka ny ranomaso efa voafafako
Na tsy hisy aza izany handrasako

Veloma ianao,
Dia izay tokoa tokoa
Tsy hanozona aho
Fa mahità ny soa
Aleo ny foko hisaona
Toy izay hampijaly anao foana

Veloma ianao,
Veloma re ry fo
Dia ny azo atao ny mitsodrano koa
Ho tojo olon'izay
Hahasambatra anao mandrakizay
--------
Rohy:
Hevitra
hertnmamonjisoa ( 30/12/2018 07:32)
mba tiako ity hira ity, mahafinaritra
hertnmamonjisoa ( 30/12/2018 07:32)
mba tiako ity hira ity, mahafinaritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : R'Zalà
Vangy : 2043
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : rlafatra88
Daty : 29/12/2018 21:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4469