You are here: home > Tononkira > R'Zalà

Feno (R'Zalà)

Nahavariana ahy hatram'izay,
fa tsy nisy izay nambabo fo
Ianao ry Feno no nahagaga ahy
tena mba nanaitra ahy tokoa

Kanto bika sy tarehy
meva fihetsika mandeha
Tsara toetra tsy mirehareha
Soa fiteny raha ny feo
Mendrika tsy mankaleo
Marina ireo voalaza ireo

Fenonao ny tsara Feno ô
Tsisy hoatra anao ry Feno ô
Sambatra ianao sy izay ho namanao
Ka avelao aho hiantso hoe Feno koa (x2)

Solo.......

Zaho raha mba lasa sakaizanao
Eh, Ho tratrariko ny lanitra
Tsy misy izay ambony raha tsy Tsiky dia ampyianao
Ho koloiko tsy hahasasatra

Kanto bika sy tarehy
meva fihetsika mandeha
Tsara toetra tsy mirehareha
Soa fiteny raha ny feo
Mendrika tsy mankaleo
Marina ireo voalaza ireo

Fenonao ny tsara Feno ô
Tsisy hoatra anao ry Feno ô
Sambatra ianao sy izay ho namanao
Ka avelao aho hiantso hoe Feno koa (x2)

Solo.......

Fenonao ny tsara Feno ô
Tsisy hoatra anao ry Feno ô
Sambatra ianao sy izay ho namanao
Ka avelao aho hiantso hoe Feno koa (x2)

Sambatra ianao sy izay ho namanao
Ka avelao aho hiantso hoe Feno koa.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : R'Zalà
Mpamaky : 591
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 09/09/2017 12:08:47
ID : 9969

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo