Topi-maso (RyKala Vazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Topi-maso kely
Miserana
Dia tsapako fa mitempo anao ity foko
Miandriandry ihany aho sao
Mba toa ahy ianao
Mijery ahy na dia kely aza
Saingy indrisy

Hanenina ve ary aho
Tsy hilaza ny fitiavako aho
Matahotra aho sao ho lavinao
Ka aleo hijanona amin'izao

Tiako izy
Ho ahy izy
Tantanako ho anilako eo
Saingy indrisy
Tsy ahy izy
Mitazana sisa azo atao
Tiako izy
Ho ahy izy
Tantanako anilako eo
Mino aho
Fa hisy fanantenana mba ho ahy ianao

Koboniko ato anaty
Fitiavako anao
Na dia mankarary
Ho zakaiko ihany
Hiandry ny anjara

Ny fahitako anao indraindray
Mampisy hery ho ahy
Na dia tsisy iray minitra
Na segondra vitsy
Dia ataoko ho ampy ho ahy

Hanenina ve ary aho
Tsy hilaza ny fitiavako aho
Matahotra aho sao ho lavinao
Ka aleo hijanona amin'izao

Tiako izy
Ho ahy izy
Tantanako ho anilako eo
Saingy indrisy
Tsy ho ahy izy
Mitazana sisa azo atao
Tiako izy
Ho ahy izy
Tantanako anilako eo
Mino aho
Fa hisy fanantenana mba ho ahy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RyKala Vazo
Vangy : 18475
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : myhtsuh
Daty : 06/02/2019 10:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1171