Ny fitia (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitia izay nomeko azy
Dia ny fitiavako rehetra
Dia ny foko fa tsy vazivazy
Fa ny aiko no fetra

Izy no hany tokako
Izy no ho malalako
Mamin’ny foko sy fisainako
Nomeko ny fitiavako
Ny foko sy ny androko
Hiara-dia mandrakizay amiko

Peratra soa no indro ataoko porofo
Fa ny fitiavako dia tsy hiofo
Ho vavolombelona ankitsirano
Ny dina vita sy ny velirano
Hiara-dia amiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RR Majunga
Vangy : 8994
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/02/2015 00:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113