Malagasy anie ianao (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsarovy sy mba tadidio
Voafaritr’io ranomasina io

Tsarovy sy mba tadidio
Malagasy anie ianao
Voafaritr’io ranomasina io
Malagasy anie ianao

Tsarovy sy mba tadidio
Voafaritr’io ranomasina io
Ny foko izao ao no milasy
Ireo dia ireo re no Malagasy
Malagasy anie ianao

Raha vato nasondrotry ny tany
Tsarovinao ireo ambany
Ianao no tonga amin’izany
Tsy iza re fa ireo ihany
Malagasy anie ianao

Raha tianao ity firenena
Soavy soa fa an’ny tena
Hizaho handroso hatrany
Asao ho vokatra ny tany
Malagasy anie ianao

Ataovy joko mihasolanga
Tsy hiova toa soa vangavanga
Ianao ho olomanga
Ny herimpo no arangaranga
Malagasy anie ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RR Majunga
Vangy : 8720
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/03/2015 22:41
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117